FAMOHAZANA NY KUNDALINI Eveil de la Kundalini AMINNY


























- Slides: 26
FAMOHAZANA NY « KUNDALINI » (Eveil de la Kundalini) AMIN’NY ALALAN’NY TEKNIKA SAHAJA YOGA
INONA NO ATAO HOE KUNDALINI ?
KUNDALINI � « …Ny KUNDALINI dia ilay Renintsika ara-panahy. Isika dia zanany tokana. Niandry an-tsika tamimpaharetana izy mba hitondra antsika any amin’ny fanjakan’ny lanitra ary handrakotra antsika ilay tena Hafaliana » . SHRI MATAJI NIRMALA DEVI
NY BIBILAVA NO MARIKA HAMANTARANA NY KUNDALINI (miodina @ tenany in-3 ½ no heviny @ sanskrit)
Ao amin’ny OS SACRUM no toerana misy azy
Ny OS SACRUM dia eo amin’ny fototry ny hazondamosina no misy azy. OS SACRUM : toeran’ny KUNDALINI izay matory mandra-pahatongan’ilay fotoana hamoahazana azy.
SWADISTHAN KUNDALINI Tsy mifoha ny KUNDALINI raha tsy amin’ny alalan’ny olona TANTERAKA ary ny Mooladhara chakra no miaro azy. Os sacrum MOOLADHARA chakra
Azo atao tsara anefa, ny mamoha ny KUNDALINI amin’ny alalan’ny teknika izay nentin’i SHRI MATAJI NIRMALA DEVI.
Ny KUNDALINI no ahafahantsika mifandray amin’ilay Andriamanitra an-tampon’ny loha (Adi-Atman).
FAHATANTERAHANA Ny fiainana an-davan’andro, ny lasa ary ny hoavy no mibahana ao an-doha Izao ALOHAN’NY Lasa (passé) Hoavy (avenir)
REHEFA TANTERAKA IZAO (Présent) IZAO
Miaina ny IZAO (présent)= miaina tsisy eritretritra IZAO Lasa Hoavy Izao na anio
FAMPIHARANA NY TEKNIKA FAMOHAZANA NY KUNDALINI
� 1 - Makà toerana mangina tsara, madio ary milamina. � 2 - Alaivo ny sarin’i Shri Mataji Nirmala Devi ary apetraho eo ambony latabatra. � 3 - Mandreheta labozia eo anoloan’ilay sarin’i Shri Mataji. � 4 - Makà toerana tsara (ambony seza na amin’ny tany) izay mampahazo aina anao ary esory ny kiraro. � 5 - Mifoha rivotra mora amin’ny orona ary alefaso ao an-kibo. Tano segondra vitsivitsy ary avoahy mora amin’ny orona ihany. Avereno in-3. � 6 - Araho ny lesona misy sary manaraka…
Ny tànana havia, ambony lohalika, mitodika any amin’ny sarin’i Shri Mataji ary ny tànana havanana kosa eo amin’ny fo. In-3: Shri Mataji (Neny), Fanahy ve Aho ? « Shri Mataji, suis-je l’Esprit ? »
Ny tànana havia, ambony lohalika, mitodika any amin’ny sarin’i Shri Mataji ary ny tànana havanana kosa eo ambonin’ny kibo In-3: Shri Mataji (Neny), tompon’ny tenako ve Aho ? « Shri Mataji, suis-je mon propre maître ? »
Ny tànana havia mitodika any amin’ny sarin’i Shri Mataji ary ny tànana havanana kosa eo ambanin’ny kibo. In-6: Shri Mataji (Neny), omeo ahy ny fahalalana madio. « Shri Mataji, svp donnez-moi la connaissance pure. »
Ny tànana havia mitodika any amin’ny sarin’i Shri Mataji ary ny tànana havanana kosa eo ambonin’ny kibo In-10 : Shri Mataji (Neny), tompon’ny tenako Aho? « Shri Mataji, Je suis mon propre maître ? »
Ny tànana havia mitodika any amin’ny sarin’i Shri Mataji ary ny tànana havanana kosa eo amin’ny fo. In-12: Shri Mataji (Neny), Fanahy Aho. « Shri Mataji, Je suis l’Esprit. »
Ny tànana havia mitodika any amin’ny sarin’i Shri Mataji ary ny tànana havanana kosa eo amin’ny hatoka havia. In-16: Shri Mataji (Neny), tsy meloka na amin’inona Aho. « Shri Mataji, Je ne suis pas coupable du tout. »
Ny tànana havia mitodika any amin’ny sarin’i Shri Mataji ary ny tànana havanana kosa eo amin’ny handrina. Averina arak’izay itiavana azy (fa amin’ny fo): Shri Mataji (Neny), Mamela ny hafa sy ny tenako Aho. « Shri Mataji, Je pardonne à tout le monde ainsi qu’à moi-même. »
Ny tànana havia mitodika any amin’ny sarin’i Shri Mataji ary ny tànana havanana kosa eo amin’ny mokon-doha. In-1: Andriamanitra Mahery ô, mamelà ny heloka vitako, na niniana natao izany na tsia. « Ò Dieu Tout-Puissant, pardonnez moi les erreurs que j’ai pu commettre, consciemment ou inconsciemment. » .
Ny tànana havia mitodika any amin’ny sarin’i Shri Mataji ary ny tànana havanana kosa eo ambonin’ny lohamalemy. Aondina im-pito (7) ary manaraka ny famantaranandro In-7: Shri Mataji, omeo Ahy ny fahatanterahana. « Shri Mataji, donnez-moi la réalisation de soi, svp. »
NY FAMPIAKARANA NY KUNDALINI : in-3
BANDHAN NY FANAOVANA BANDHAN in-7 (protection vibratoire) : in-7




