FOMBA MAMPIENTANA HANDRAISANA ANJARA AMINNY ASANANDRIAMANITRA Lesona 10
FOMBA MAMPIENTANA HANDRAISANA ANJARA AMIN'NY ASAN'ANDRIAMANITRA Lesona 10 hatao ny 5 Septambra, 2020
Misy fomba iray mampientanenta handraisana anjara amin'ny fampandrosoana ny Fiangonana sy ny fitoriana ny Filazantsara: ny tarika madinika. Ara-Baiboly ny tarika madinika. Nofidin'Andriamanitra ny tarika madinika mba hampahatanjaka ny finoantsika, hanampy antsika hahatakatra bebe kokoa ny Teniny, hampitombo ny fahazarantsika mivavaka ary hampianatra antsika hijoro vavolombelona. Ohatra amin'ireo tarika madinika : Ny tarika madinika voalohany Ao amin'ny Testamenta Taloha Ao amin'ny Testamenta Vaovao Mandray anjara amin'ny tarika madinika: Fandaminana Fihetsehana
NY TARIKA MADINIKA VOALOHANY “Ary Andriamanitra nanao hoe: ‘Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika[…]’ ” (Genesisy 1: 26) Ireo persona telo an'Andriamanitra no nivondrona ho tarika madinika mialohan'ny namoronana izao tontolo izao. Ny tanjon'Izy ireo dia ny handrafitra sy hanatanteraka ny famoronana ny olombelona sy ny tontolo iainany. Namorona drafitra hafa mihitsy aza Izy ireo raha toa ka manapa -kevitra ny hiala amin'Andriamanitra ny olombelona: Drafipanavotana (1 Pet. 1: 18 -20; Mat 25: 34; Apok. 13: 8). Ho hitantsika ny fivorian'ny tarika madinika ho amin'ny tanjona iray na maro ao antsaina. Raha ny momba an'Andriamanitra, ny fivoriana voalohany dia famolavolana drafitra, ary manaraka dia nifantoka tamin'ny fanatanterahana drafitra manokana. Ankoatr'izay, ny tarika madinika rehetra dia tsy maintsy manao tanjona ny fahazoana fanahy ho an'ny Fanjakan'ny Lanitra.
AO AMIN'NY TESTAMENTA TALOHA “Dia nofidin'i Mosesy izay lehilahy mahay tamin'ny Isiraely rehetra ka nataony lohan'ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo. ” (Eksodosy 18: 25) Rehefa nivoaka avy tany Egypta ny Israely, dia nozarain'i Mosesy ho toby (araka ny foko) sy lay (araka ny fianakaviana). Taty aoriana, dia nanosokevitra ny hanitarana an'izany ho tarika madinika 1000, 100, 50 na 10 i Jetro. Ny tarika madinika tsifolo dia notarihin'ny mpitarika mahatoky iray. Ireny tarika madinika ireny dia nisoroka olana isan-karazany sady nanampy tamin'ny fikoloana ny fiainana ara-panahin'ny olona, ary nanorina fifandraisana akaiky sy feno fitiavana… Izany ary mbola izany hatrany – no fomba mahomby ho an'ny fiarahamiasa, ny fitomboana ara-panahy ary famahana olana. Taty aoriana dia nanorina ny sekolin'ny mpaminany i Samoela. Nanaraka fandaminana sy tanjona mitovy tamin'izay napetrak'i Mosesy izy ireo (1 Sam. 10: 10; 2 Mpanj. 2: 3).
AO AMIN'NY TESTAMENTA VAOVAO “Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly sy tao an-trano izy. ” (Asa 5: 42) Jesosy no nanangana tarika madinika voalohany tao amin'ny Testamenta Vaovao tamin'ny nifidianana ny roa ambin'ny folo lahy. Nampianarina sy nampiofanina tamin'ny fomba azo ampiharina mivantana ny amin'ny fampiasana ny fanomezam-pahasoavan'izy ireo mba hahomby eo amin'ny fitoriana ny Filazantsara, sady hitombo arapanahy. Ny fon'ny Fiangonana voalohany dia ireo tarika madinika izay nivory tany antokantrano (Asa. 12: 12; Rom. 16: 5; 1 Kor 16: 19; Kol. 4: 15; Film. 2). Nikara tarika mpanao asa fitoriana madinika koa izy ireo. Nifanohana araky ny fanandraman'ny tenany manokana izy ireo hanatanterahana ny iraka. Noho ireo tarika ireo dia niely haingana tamin'izao tontolo izao fantatra tamin'izany ny Filazantsara (Asa 15: 39 -41; 20: 4; Rom.
FANDAMINANA “Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin'ny tena araka ny sitrapony. Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena? ” (1 Korintiana 12: 18 -19) Ny tenan'olombelona dia vita amin'ny sela mivondrona mba ho rantsam-batana na taova izay voalamina hanaraka rafitra. Ny sela tsirairay avy dia manana ny anjara asany eo amin'ny rantsam-batana tsirairay, ny ratsam-batana tsirairay dia samy manana ny anjara asany ao amin'ny rafitra, ary ny rafitra tsirairay dia samy manana ny anjara asany ao amin'ny tena. Mifandray ary miara-miasa am-pirindrana izy rehetra. Ny Fiangonana no tenan'i Kristy ary miasa amin'ny fomba toy izany. Rehefa ao anatin'ny tarika madinika ny olona iray, dia sarotra kokoa ny ho kivy ary mora kokoa ny fanatanterahana ny iraka ataontsika. Ny tarika dia nalamina mba hahafahan'ny tsirairay hampiasa ny ankamaroan' ireo fanomezam-pahasoavany hanampiana ny tena hitombo sy hahatanteraka ny iraka.
FIHETSEHANA “Ary rehefa fantany tsara izany, dia nankany an-tranon'i Maria, renin'i Jaona, izay atao hoe koa Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao. ” (Asa 12: 12) Fanelanana Vavaka ho amin'ny antony iraisana Fiarahana mandritra ny fotoana voarafitra tsara Fandalinana ny Tenin 'Andriamanitra Fiofanana ho amin'ny Mampiasa ny tarika madinika Andriamanitra mba fanompoana hampitomboana ny Fiangonana amin'ny alàlan'ny fikoloana ny finoan'ny mpino sy ny fampianarana azy Fianarana fizarana ny ireo ny fomba hijoroany ho vavolombelona ho an'i Jesosy. Filazantsara Ny tanjona voalohan'ny tarika tsirairay dia ny fitarihana ny Fanaovana asa fanompoana eo amin'ny fiaraha-monina olona ho eo amin'i Jesosy, na dia mety samy hanana ny fihetsehany aza ny tarika tsirairay araka ny tanjony Fandraisana anjara amin'ny manokana. Ireto misy ohatra vitsivitsy momba ny tanjona asa fitoriana manokana: Mbola tsy tapitra io lisitra io. Ny fiangonana tsirairay dia tsy maintsy mamolavola tarika madinika tsara indra, manana tanjona manokana arak'izay mampiavaka azy.
“Ny fitahian'ny Tompo dia ho amin'ireo mambran'ny fiangonana izay mandray anjara amin'ny asa, mivondrona anaty tarika madinika isan'andro mba hivavaka ho amin'ny fahombiazany. Amin'izany dia hahazo fahasoavana ho an'ny tenany ny mpino, ary handroso ny asan'ny Tompo. ” E. G. W. (Evangelism, p. 111) “Aoka ny tarika madinika hivory hiara-handinika ny Soratra Masina. Tsy hisy na inona ho verinao amin'izany fa hahazo be dia be ianao. Hanatrika ny fivorianareo ireo anjelin'Andriamanitra, ary rehefa mihinana ny Mofon'aina ianao dia hahazo hozatra sy nofo ara-panahy. Ho fahanana amin'ny ravin'ny hazon'aina ianao, toy ny taloha. Amin'izany fomba izany ihany no hitazomanao ny fahatokianao. ” E. G. W. (This Day With God, 3 Janoary)
- Slides: 8