NY NIAVIANNY BAIBOLY SY NY TOETOETRANY Lesona 2
NY NIAVIAN'NY BAIBOLY SY NY TOETOETRANY Lesona 2 hatao ny 11 Aprily, 2020
“Ary noho izany izahay koa dia tsy mitsahatra misaotra an'Andriamanitra, satria rehefa nandray ny tenin'Andriamanitra izay notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin'olona, fa araka izay marina, dia ny TENIN'ANDRIAMANITRA, izay miasa anatinareo izay mino koa. ” (1 Tesaloniana 2: 13) Ny Baiboly dia nosoratan'olombelona. Kanefa, matetika isika no milaza fa Tenin'Andriamanitra izy. Nahoana? Inona no ambaran'ny Baiboly momba ny tenany? Ahoana no nanoratana ny Baiboly? Ahoana no fomba tokony handraisantsika ny heviny? Ny fanambarana Ny tsindrimandry Ny fomba nanoratana Ny Teny Ny famoahan-kevitra
NY FANAMBARANA “fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy. ” (2 Petera 1: 21) Ireo mpanoratra ny Baiboly dia manambara fa manoratra “izay lazain'ny Fanahy” izy ireo, fa tsy izay heviny manokana (Apokalypsy 2: 7). Ampiasain'Andriamanitra izy ireny mba hanehoana amintsika ny fikasany ho antsika (Amosa 3: 7). Maneho ny tenany amin'izany koa Izy. Ireo fampianarana sy torohevitra ao amin'ny Baiboly dia avy amin'Andriamanitra, koa dia azo itokiana sy marina ireny. Ny Baiboly dia “mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana” (2 Timoty 3: 16). Rehefa mamaky ny Baiboly isika, dia mianatra ny fomba fiainana irian'Andriamanitra
NY TSINDRIMANDRY “Ny Soratra Masina rehetra dia nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra, ” (2 Timoty 3: 16 DIEM) Misy firindrana tanteraka manomboka eo amin'ny Genesisy ka hatrany amin'ny Apokalypsy. Izany dia noho ny Fanahy Masina izay nanindry mandry ireo mpanoratra ny Baiboly rehetra. Kanefa, tsy mitovy ny fomba nitondran'ny Fanahy ireo mpanoratra tsirairay. Tsindrimandry mivantana: Miteny Andriamanitra, ary dia manoratra ny mpaminany (Deo. 18: 18; Ezek. 13: 18; Apok. 14: 13). Tolo-tsaina : Maneho hevitra Andriamanitra ary ny mpanoratra no mampiasa ny fomba fiteniny hanazavana izany (oh. Ohabolana ). Tsindrimandry manokana: Mamotopototra ny mpanoratra, ary ny Fanahy no mitarika azy eo amin'ny loharano tena izy (Lioka 1: 3). Izany no mahatonga ny Baiboly ho boky maro karazana. Ny mpanoratra tsirairay dia manazava ny fahamarinan'Andriamanitra amin'ny fomba samihafa.
“Ny Soratra Masina dia nomena ny olombelona, tsy toy ny fiteny mitohy vakana tsy mitapaka, fa tsikely nanerana ireo taranaka nifandimby, araky ny nahitan'Andriamanitra ny fotoana mety hitarihany ny olona tamin'ny fotoana samihafa sy toerana samihafa. Nanoratra ny olombelona araka izay nitarihan'ny Fanahy Masina azy ireo. ” E. G. W. (Selected Messages, vol. 1, tk. 1, p. 19)
“Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: : ‘Soratinao amin'ny boky ny teny rehetra izay efa nolazaiko taminao. ’” (Jeremia 30: 2) Nahoana no nanao an-tsoratra ny teniny Andriamanitra? Inona no tombony azo avy amin'ny hafatra an-tsoratra? Sarotra kokoa ny manadio izay novakiana Afaka averimberina foana mba hitadidiana azy Afaka tehirizina Afaka adika im-betsaka Olona maro no afaka mamaky azy Afaka vakiana any an-tany lavitra Maharitra izy. Afaka vakian'ny taranaka ho avy Na dia ireo izay tsy afaka mamakyteny aza dia afaka mandre ny hafatra vakian'ny hafa aminy amin'ny feo mafy Noho ny amin'ny hafatra antsoratra avy amin'Andriamanitra, dia afaka mahafantatra ny sitrapony isika ankehitriny ary
NY TENY “Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. ” (Jaona 1: 1) Naneho an'i Jesosy ho Ilay Tenin'Andriamanitra tonga nofo i Jaona. Misy fitoviana eo amin'i Kristy sy ny Baiboly. Samy tamin'ny fomba mahagaga no niaviany Samy mirakitra ny maha-Andriamanitra sy mahaolombelona Maharakotra ny olombelona iray manotolo ny asan'izy roa Samy tonga tamin'ny fotoana voafaritra sy kolontsaina manokana izy roa, kanefa ny asany dia mitohy mihoatra ny fotoana sy ny toerana Samy nidina ho amin'ny laharan'ny olombelona izy roa mba ho voaraintsika tsara ny hafatra entiny Misy koa ny mahasamihafa azy ireo. Ny Baiboly dia tsy Andriamanitra tonga nofo, noho izany dia tsy azo iankohofana. Manambara an'i Jesosy ihany izy (Jaona 5: 39).
“fa fantatrareo voalohany indra fa ny famoahankevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany, ” (2 Petera 1: 20) Ny Baiboly dia tsy tokony ho dinihina na vakiana toy ny boky hafa rehetra. Ohatra, ny Tsikera Ambony Indrindra dia niezaka nandinika ny Baiboly tamin'ny fampiasana ireo fitsipiky ny gramara ihany, fa tsy nihevitra ireo singa mahagaga raketiny. Koa ahoana izany no tokony handraisantsika ny Baiboly? Ambon'ny zavatra rehetra, dia tsy maintsy tsaroantsika fa Tenin'Andriamanitra izy, noho izany dia ilaina ny finoana (Hebreo 11: 6). Ny Fanahy Masina no nandry mandry ireo mpanoratra ny Baiboly, noho izany dia tsy maintsy mamela Azy hanindry mandry antsika koa isika rehefa mamaky ny Baiboly. Koa, tokony hivavaka isika mialoha ny hamakiana ny Baiboly, mangataka ny taridalan'ny Fanahy Masina mba ho azontsika araka ny tokony ho izy izany.
NY FOTO-PINOAN'NY FIANGONANA ADVANTISTA MITANDRINA NY ANDRO FAHAFITO Ny Soratra Masina dia ny Testamenta Taloha sy ny Vaovao no Tenin'Andriamanitra voarakitra an-tsoratra izay nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra tamin'ny alalan'ireo olona izay niteny sy nanoratra raha nohetsehin'ny Fanahin'Andriamanitra. Ao amin'io Teny io no nanoloran'Andriamanitra ho eo am-pelantanan'ny olombelona ny fahalalana ilaina hahazoam-pamonjena. Ny Soratra Masina no fanambarana tsy mety dison'ny sitrapony. Izy no filamatry ny fitondran-tena fisedrana ny fanandramana, fanehoana manana fahefana ny fampianarana ary firaketana azo itokiana ny fiasan'Andriamanitra eo anivon'ny Tantara. (Sal. 119: 105; Ohab. 30: 5, 6; Isa. 8: 20; Jao 17: 17; 1 Tes. 2: 13; 2 Tim. 3: 16, 17; Heb. 4: 12; 2 Pet 1: 20, 21. )
“Ny fahalalana ny fahamarinana dia tsy miankina loatra amin'ny herin'ny saina fa amin'ny fahadiovan'ny fikasana, amin'ny fahatsoran'ny finoana mireda sy miankina amin'Andriamanitra. Manatona akaiky an'ireo izay mitady ny fitarihan'Andriamanitra amin'ny fo feno fanetren-tena ny anjelin'Andriamanitra. Nomena ny Fanahy Masina mba hanokatra ho azy ireo haren-tsarobidin'ny fahamarinana. ” E. G. W. (Henoinareo ny Fanoharana, tk. 2, p. 40 )
- Slides: 10