NY FOMBA FIANARANA IREO ANDALANTENY SAROTAKARINA Lesona 12
NY FOMBA FIANARANA IREO ANDALAN-TENY SARO-TAKARINA Lesona 12 hatao ny 20 Jona , 2020
Efa namaky an-dalan-teny sarotra azo tao amin'ny Baiboly ve ianao? Mety ho an-dalan-teny saro-takarina nosoratan'ny apostoly Paoly (2 Petera 3: 15 -16)? Mety hitarika ho amin'ny fandikana diso ireny an-dalan-teny saro-takarina ireny, koa tena zava-dehibe ny fandinihana azy ireny amin'ny fomba tena mety. Ahoana no tokony hataontsika manoloana ireny an-dalan-teny saro-takarina ireny? Lojika Hitsim-po Fanetre-tena Faharetana Vavaka
LOJIKA “ka anaro mafy eo anatrehan'ny Tompo izy mba tsy hiady teny […] mizara tsara ny teny fahamarinana. ” (2 Timoty 2: 14 -15) Ny Tenin 'Andriamanitra dia tsy mety diso. Ahoana no tokony hiatrehana ireo fahadisoana hita na fanoherana ao anatiny? Betsaka amin'izy ireny no manana valiny lojika. FIFANOHERAN-KEVITRA Jamba firy lahy no nositranin'i Jesosy tao Jeriko? Firy ny olona nanana demonia tao Gadarà (Mat. 8: 28; Lio. 8: 27)? Iza no naka fanahy an'i Davida hanao fanisam-bahoaka (2 Sam. 24: 1; 1 Tant. 21: 1)? Ny ankamaroan'ny fifanoheran-kevitra hita ao amin'ny Baiboly dia hita ao amin'ireo andalan-tsoratra mifanitsy. Rehefa mitantara zava-nitranga mitovy ny olona roa, dia matetika no antsipiriany samihafa no tadidin'izy roa, na dia samy vavolombelona nanatri-maso teo aza izy ireo. Mitranga izany satria zavatra samihafa no nahasarika ny sain'ny olona tsirairay. Raha ny lojika dia miteraka tsy fitoviana eo amin'ireo fitantarana roa ireo
LOJIKA “ka anaro mafy eo anatrehan'ny Tompo izy mba tsy hiady teny […] mizara tsara ny teny fahamarinana. ” (2 Timoty 2: 14 -15) LESOKY NY MPANDIKA SORATRA Ny iray amin'ireo fahadisoana hita mihary indra avy amin'ny mpandika soratra dia hita ao amin'ny dikanteny sasany ao amin'ny 1 Jaona 5: 7 -8. Amin'ity tranga ity, ny fanamarihana nataon'ny mpandika soratra iray dia noraisin'ny mpandika soratra iray hafa ho ampahany amin'ny dika-teny fototra. DIKA-TENY FOTOTRA Fa misy telo izay mijoro ho vavolombelona: ny Fanahy, ny rano ary ny ra, ary miara-manaiky izy telo ireo FANAMARIHANA NATAO “Ny olona tena mino ny Baiboly dia tsy hahita olana amin'ny fahamarinana izay efa nasehon'Andriamanitra mazava. ” (E. G. W. , Selected Messages, boky 1, p. 18)
“ka anaro mafy eo anatrehan'ny Tompo izy mba tsy hiady teny […] mizara tsara ny teny fahamarinana. ” (2 Timoty 2: 14 -15) FAHADISOANA EO AMIN'NY FANDIKAN-TENY LOJIKA Indraindray, ny fahadisoan'ny mpandika soratra iray dia mety hiteraka fahadisoana eo amin'ny fandikan-teny, toy ny ao amin'ny Apokalypsy 22: 14 Ny sora-tanana grika sasany dia mampiasa fitenenana (HOIPOIOUNTESTASENTOLAS ) izay adika hoe "ireo izay manatanteraka ny didiny" (NKJV). Ny sora-tanana hafa dia mampiasa fomba fiteny hafa (HOIPLUNONTESTASSTOLAS ) izay adika hoe "izay manasa ny akanjony" (NIV). Tokony hodinihintsika amin'ny an-dalan-teny mitovy aminy ireo andinin-tsoratra masina ireo mba ahazoana izay tena dikan-teny mety. Lesoka nataon'olombelona ireo, tsy misy ifandraisany amin'ny maha-tsindrimandry avy amin'Andriamanitra ny Baiboly izany.
“Izy mitahiry fahendrena ho an'ny mahitsy sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny. ” (Ohabolana 2: 7) Mety ahita an-dalan-tsoratra izay tsy azontsika na tsy haintsika hazavaina isika. Amin'ireny tranga ireny dia tokony handeha amin-kitsim-po isika ka hiaiky fa tsy mahavita mamaha ilay olana. Raha fantatsika fa mety ho diso ny fanazavana, dia tena fahadisoana lehibe ny mandray an'izany ho marina. Vao mainka ratsy kokoa aza ny mampahafantatra izany fanazavana izany amin'ny fikasana hamitaka ny hafa, hahatonga azy ireo hino zavatra izay efa fantatsika fa tsy tena manohana ilay an-dalan-tsoratra. Ny Kristiana mahitsy fo dia hiandry an'Andriamanitra hanome fahazavana azy ireo hahatakatra tsara kokoa ireo an-dalanteny sarotra ireo. HITSIM-PO
4: 6) Ahoana ny amin'ireo andalana izay toa mifanohitra amin'izay inoantsika fa marina? Ahoana raha toa ka izany andininy izany dia manondro zavatra ataontsika ho fahotana? Ny avona dia mety hanakana antsika hiaiky fa tsy marina isika. Mety hitady izay fanazavana afaka manohana ny "fahamarinana" na ny ota na amin'ny fomba ahoana na ahoana isika, na manao ahoana ny fanolanana ny fanazavana. Amin'ny lafiny iray, ny fanahy manetry tena no hanampy antsika hanaiky ny fahamarinana izay voasoratra ao amin'ny Baiboly, ary hamela an'Andriamanitra hamolavola ny fiainantsika araka izany fahamarinana izany. ETR NE A FA TEN “Nefa manome fahasoavana bebe kokoa Izy. Koa hoy izy: 'Andriamanitra manohitra ny mpiavona, fa manome fahasoavana ho an'ny manetry tena. ’ ” (Jakoba
“Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika. ” (Galatiana 6: 9) Ny andininy sasany dia tena mila ezaka manokana mba hahatakarana azy. Ohatra, mila manao fampitahana azy amin'ireo mitovy aminy isika, mba hahatakarana izay tontolon-kevitra fototra, mba hamotopotorana ny antony nanoratan'ilay mpanoratra tany am-boalohany araka io fomba nanoratany azy io. Tokony manokana fotoana handinihana tsara ireny andininy ireny isika. Mety hamela azy ireny mandritra ny fotoana kelikely aza isika, mandrapahatongan'Andriamanitra hanome antsika fahazavana bebe kokoa hahatakarana azy ireny. Rehefa dinihina tokoa dia manompo ny “Andriamanitry ny faharetana” isika (Rom. 15: 5). Ny fotoana hatokantsika amin-javatra iray dia mitovy indra amin'ny fahaliananantsika amin'izany. Koa, manana zoto-po ary mahareta amin'ny fianarana Baiboly.
VAVAKA “Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona araka ny Fanahy izahay. ” (1 Korintiana 2: 13) Iza no afaka hanazava tsara kokoa mihoatra ny mpanoratra ny Baiboly (2 Pet. 1: 21)? tsindrimandry avy tamin'Andriamanitra Nahazo ireo mpanoratra ny Baiboly mba hahafahantsika mahazo mora ireo an-dalan-teny ireo amin'ny fampitahana ireo andininy samihafa (Isa. 28: 10). Tsy mila mitodika any amin'ireo loharano filozofika na siantifika isika mba hahafantarantsika ny fahamarinana ambara ao amin'ny Baiboly. Tsara kokoa aza, satria afaka manontany mivantana ny mpanoratra ny Baiboly isika rehefa misy tsy azontsika. Nomen'Andriamanitra antsika ny vavaka mba hifandraisana Aminy. Tsy tokony hianatra Baiboly mihitsy isika raha tsy mivavaka. Tsy maintsy avelantsika hitarika antsika amin'ny fahamarinana rehetra ny Fanahy Masina (Jaona 16: 13).
“Handroso amin'ny fahalalana arapanahy marina isika rehefa mahatsapa ny fahakelezantsika sy ny fianteherantsika tanteraka amin'Andriamanitra. Fa izay rehetra mandray ny Baiboly amin'ny fanahy azo ampianarina sy mivavaka, mba handalina izay lazainy ho tenin 'Andriamanitra dia hahazo fahazavana avy amin'Andriamanitra. Misy zavatra marobe hita fa sarotra na maizina izay hataon'Andriamanitra mazava sy tsotra ho an'ireo izay mikatsaka ny fahatakarana azy ireny. ” E. G. W. (Testimonies for the Church, boky 5, tk. 84, p. 704)
- Slides: 10