MIZARA NY TANTARANI JESOSY Lesona 11 ha tao

  • Slides: 8
Download presentation
MIZARA NY TANTARAN'I JESOSY Lesona 11 ha tao ny 12 Septambr a, 2020

MIZARA NY TANTARAN'I JESOSY Lesona 11 ha tao ny 12 Septambr a, 2020

Manana vaovao mahatalanjona ho zaraina isika: natao ho an'ny rehetra ny fahasoavan'Andriamanitra, fa tsy

Manana vaovao mahatalanjona ho zaraina isika: natao ho an'ny rehetra ny fahasoavan'Andriamanitra, fa tsy ho an'ny olona voafantina ihany. Ho an'ny rehetra ny Filazantsara. Ho an'ny rehetra ny famonjena. Ho an'ny rehetra ny famelan-keloka, ny famindrampo, ny fahalemem-panahy ary ny fahasoavana. Manova ny fiainantsika amin'ny fitiavany i Jesosy, ary mamporisika antsika Izy hizara izany fanandramana izany amin'ny hafa mba hahafahan'izy ireo ho voaova koa. Taloha sy taorinan'i Jesosy Ireo izay nizara an'i Jesosy Mandà ny fahatezerana ary mizara fitiavana Mandà ny ratsy ary mizara an'i Jesosy Mizara ny tantaran'i Jesosy: Fahatokiana ny famonjena

TALOHA SY TAORINAN'I JESOSY “na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona

TALOHA SY TAORINAN'I JESOSY “na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo)” (Efesiana 2: 5) Talohan'i Jesosy Efesiana 2: 1 -3 Taorinan'i Jesosy Efesiana 2: 4 -10 Maty noho ny fahotantsika Velona ao amin'i Kristy Manaraka ny fomban'izao tontolo izao Mipetraka amin'ny fitoerana any andanitra Eo ambany fifehezan'ny devoly Voavonjy amin'ny finoana Tsy mankatò Misitraka ny haren'ny voninahiny Manatanteraka ny sitrapontsika Manao asa tsara Zanaky ny fahatezerana Zanak'Andriamanitra (noforoniny )

MANDÀ NY FAHATEZERANA ARY MIZARA FITIAVANA “Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia

MANDÀ NY FAHATEZERANA ARY MIZARA FITIAVANA “Ry malala, raha izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia kosa isika. ” (1 Jaona 4: 11) Nandà tsy hampiantrano an'i Jesosy sy ireo apostoliny ny mponina tao amin'ny vohitra Samaritana iray. Nirehitra ny fahatezeran'i Jakoba sy Jaona ka nangataka alalana handrava ny tanàna amin'ny afo avy an-danitra toa ny nataon'i Elia tamin'ireo miaramila mpaniratsira izy roa lahy (2 Mpanjaka 1: 9 -15). Saingy, ny fifandraisan'izy ireo tamin'i Jesosy dia nanova ny fihetseham-pony sy ny fieritreretany koa. Namoy ny ainy i Jakoba noho ny fizarana an'i Jesosy tamin'ny hafa (Asa. 12: 1 -2). Ny filazantsara sy ny taratasin'i Jaona dia feno ny fitiavana an Andriamanitra sy ny mpiarabelona amintsika (Jao. 13: 35; 1 Jao. 4: 8; 2 Jao. 1: 6; 3 Jao. 1: 6 -7). Izany no hery manova avy amin'i Jesosy miasa ao anatintsika.

MANDÀ NY RATSY ARY MIZARA AN'I JESOSY “Ary nony tonga teny am-pita teo amin'ny

MANDÀ NY RATSY ARY MIZARA AN'I JESOSY “Ary nony tonga teny am-pita teo amin'ny tanin'ny Gadarena Izy, dia nifanena taminy ny demoniaka roa lahy, nivoaka avy ten amin'ny fasana, sady masiaka loatra […] ” (Matio 8: 28) Tsy misy olona afaka mandalo eo amin'io faritra any Gadarena io ka tsy notafihan'ireto lehilahy demoniaka mampidi-doza ireto. Nidina avy tao an-sambokely teo i Jesosy sy ny mpianany. Saingy, niova be ny fiainan'ireto lehilahy demoniaka ireto rehefa avy nihaona tamin'i Jesosy. Niverina tamin'ny laoniny ny ara-batana, ara-tsaina, ara-pihetsehampo ary arapanahin'izy ireo. Koa, nangataka azy ireo i Jesosy mba hizara amin'ny olona rehetra ao amin'io faritra io ny tantaran'izy ireo. Nanana tantara hotantaraina izy ireo satria ny herin'i Kristy no nanova ny fiainany. Afaka nijoro vavolombelona ny amin'ny tenany izy ireo ary namporisika ny hafa hamela an'i Jesosy hanova ny fiainany.

“Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana

“Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo. ” (1 Jaona 5: 13) Mazava ny hafatra ao amin'ny Baiboly: izay mino an'i Jesosy no hovonjena (Jao. 3: 15, 36; 6: 40, 47; Asa. 16: 31; 1 Jao. 5: 13). Tsy mila miandry antsika ho tsara kokoa isika vao ho voavonjy. Mety ho very ny famonjena (Eks. 32: 33; Mat. 10: 28; 2 Pet. 2: 20 -21; Apok. 3: 5, 11), saingy tsy hitranga izany raha tsy minia manapa-kevitra ny handa an Andriamanitra isika. Ny fahatokiana ny famonjena dia manome hery ny fijoroantsika ho vavolombelona. Mora kokoa ny mizara zavatra azonao antoka. Tadiavo mandrakariva ireo fotoana mety hampirisihana ny hafa hanaiky ilay fanomezana ny fiainana mandrakizay.

MIZARA AN'I JESOSY “Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon'Andriamanitra, mba

MIZARA AN'I JESOSY “Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany. ” (Romana 12: 1) Nataony tonga zanak'Andriamanitra Natolony ho antsika ny ainy Mangataka antsika Jesosy mba hanome azy ny zavatra rehetra Nomeny fiadanam-po isika (Lio. 9: 23). Fa inona no Nomeny fahendrena isika nomeny antsika? (jereo Jao Nataony marina isika 1: 12; 10: 10; 14: 27; 1 Kor. 1: 30) Nohamasininy isika Navotany isika Rehefa tsapantsika ny zavatra rehetra nataon'i Kristy ho antsika, ny valiny mivoaka avy hatrany aty amintsika dia ny hanolotra ny zavatra rehetra ho Azy ho fahafoizan-tena - na inona sandany - ary hizara ireo zava-mahatalanjona nataony teo amintsika sy ho antsika.

“Ho vavolom-belon'i Kristy isika; ary ho toy izany isika rehefa mitombo isan'andro ho tonga

“Ho vavolom-belon'i Kristy isika; ary ho toy izany isika rehefa mitombo isan'andro ho tonga lehilahy sy vehivavy ao amin'i Kristy. Tombontsoa ho antsika ny mitombo bebe kokoa hatrany ho toa Azy isan'andro. Ary dia hahazo hery hanehoana ny fitiavantsika Azy amin'ny fiteny avo sy madio kokoa isika, ary hivelatra sy hihalalina ny hevitsika, ary ho azo itokisana kokoa sy mahitsy ny fiheverantsika, ary hisy fiainana sy toky bebe kokoa kosa ny fijoroantsika ho vavolombelona. ” E. G. W. (Sons and Daughters of God, 6 Martsa)