MIJORO HO VAVOLOMBELONA NY HERINNY TANTARANTSIKA MANOKANA Lesona
MIJORO HO VAVOLOMBELONA: NY HERIN'NY TANTARANTSIKA MANOKANA Lesona 2 hatao ny 11 Jolay , 2020
Inona ny fijoroana ho vavolombelona ataon'ny tena manokana? Ny fizarana amin'ny hafa izay nataon'i Jesosy teo amin'ny fiainantsika sy ny fomba nanovany antsika. Ny filazana amin'ny hafa ny fahasoavana mahatalanjona nataon'Andriamanitra ary ny fankasitrahantsika ny famonjena nataony. Ny firesahana ny amin'ny fitiavan'i Jesosy antsika sy ny fitiavantsika Azy. Ny fijoroana ho vavolombelona nataon'ilay lehilahy nisy demonia Fijoroana ho vavolombelona tsy ampoizina Ny fijoroana ho vavolombelona nataon'i Maria Fifaliana tsy manam-petra Ny fijoroana ho vavolombelona nataon'i Petera sy i Jaona Fahanginana tsy azo tanterahina Ny fijoroana ho vavolombelona nataon'i Paoly Fiovam-po isan'andro Fijoroana ho vavolombelona mahery vaika
FIJOROANA HO VAVOLOMBELONA TSY AMPOIZINA “Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon'i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra. ” (Marka 5: 20) Dekapolisy dia vondrona tanàna folo manamorona ny Ranomasin'i Galilia. Nifampizara kolontsaina grika-romanina (fa tsy Jiosy) izy ireo. Rehefa tonga i Jesosy dia lehilahy mahery setra iray nisy demonia no hany nandray Azy tsara. Nafahan'i Jesosy tamin'ny demonia izay nampijaly azy izy. Naverina tamin'ny laoniny ny ara-batana sy aratsaina sy ara-pihetseham-po ary ara-panahy an'ilay lehilahy. Naniry ny hijanona niaraka tamin'i Jesosy izy. Kanefa, nofidian'i Jesosy izy mba ho misionera voalohany. Tsotra ny iraka nampanaovina azy: hanambara amin'ny hafa izay nataon'i Jesosy ho azy. Noho ny fijoroany ho vavolombelona dia nisy vahoaka maro tafangona mba hihaino an'i Jesosy volana vitsivitsy taty aoriana (Marka 8: 1 -10).
FIFALIANA TSY MANAM-PETRA “Ary Maria nandeha ka nilaza tamin'ireo efa nomba an'i Jesosy, izay mbola nisaona sy nitomany. ” (Marka 16: 10) Ny alahady ny fitsanganana tamin'ny maty dia nisolo fahasambarana ny alahelon' i Maria, ny tomany ho fifaliana, ny famoizam-po ho fanantenana. Nameno fifaliana azy ny fihaonana tamin'i Jesosy tamin'io andro io. Tsy afa-nanoatra fa dia nihazaka nilaza ny vaovao tsara tamin'ny rehetra izy. Tokony hihazaka sy hizara izay iainantsika ihany koa isika rehefa nihaona tamin'i Jesosy. Satria tsara sady tokony zaraina ny vaovao tsara. Saingy, tsy nino azy (Marka 16: 11). Aza manantena fa avy hatrany dia hino ny tenintsika ny rehetra. Nino daholo izy ireo tamin'ny farany!
FAHANGINANA TSY AZO TANTERAHINA “Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay. ” (Asa 4: 20) Nanaitra ny fiovan'ny apostoly. Na dia ny fahavalon'izy ireo aza dia afaka nahita fa efa niaraka tamin'i Jesosy izy ireo (Asa 4: 13). Petera Avy tamin'ny fahavitantena Jaona Avy tamin'ny zanabaratra Tomasy Avy tamin'ny fisalana ho amin'ny fianteherana amin'i Kristy ho amin'ny Apôstôly ny fitiavana tonga mpino Samy nanana ny fanandramany ny apostoly tsirairay. Afaka nizara fijoroana ho vavolombelona nataon'i tenany manokana sy niavaka izy ireo. Manova antsika koa Jesosy. Tokony hizara ny fanandramana niainantsika manokana isika na dia mandritra ny fotoan-tsarotra aza.
“Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy. ” (Galatiana 2: 20) Ny fiovam-pon'i Paoly dia anisan'ireo mahavariana indra. Ny fomba fijeriny ny amin'ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty dia niteraka fiovana lehibe teo amin'ny fiainany. Rehefa nizara ny fijoroany ho vavolombelona izy dia tsy hoe niresaka afa-tsy ny fiovana indray mandeha teo amin'ny fiainany. Nanazava izy fa mbola niasa teo amin'ny fiainany Andriamanitra. Nohavaozina isan'andro ny fiovam-pony, "maty isan'andro aho. " (1 Korintiana 15: 31) Ny fijoroana ho vavolombelona dia tsy momba ny tenantsika, fa Andriamanitra. Fizarana ny famelankeloka avy Aminy, ireo fitahiany isan'andro, ny fahasoavany tsy ho lany, ny fitiavany mandrakizay… (Salamo 103: 3; Fit. 3: 23; Jao. 1: 16; Jer. 31: 3).
“Fa hoy Agripa tamin'i Paoly: ‘Hay! ataonao fa mora toy izany no hampanekenao ahy ho Kristiana. ’” (Asa 26: 28) FIJOROANA HO VAVOLOMBELONA MAHERY VAIKA Heroda Agripa II dia notezaina tany Roma teo ambany fiarovan'ny Emperora Claudius. Nomena azy ny fanjakana kelin'i Chalcis ary nasaina nitantana ny tempolin'i Jerosalema izy. Nasehony tamin'ny olona fa manaraka ny fomban-drazana Jiosy izy. Naneho hatsaram-panahy lehibe tamin'ity governora tsy mino ity i Paoly. Nisaotra an'i Agripa izy noho ny nanomezany azy ny fahana hizara ny fijoroany ho vavolombelona manokana. Tapaka ny lahateny nataon'i Paoly ka dia niantso manokana an'i Agripa izy hoe: "Mino ve ianao? " (and. 27) Ny zavatra nataon'Andriamanitra teo amin'ny fiainantsika dia mety hisy fiantraikany lehibe eo amin'ny hafa. Azontsika aseho azy ireo ny atao hoe manaiky an'i Jesosy sy ny hoe navotana, ary afaka mitarika azy ireo hanolotena ho Azy isika.
“Izay rehetra efa nanandrana ‘ny teny tsaran'Andriamanitra sy ny herin'ny fiainana ho avy’ (Hebreo 6: 5), dia manana asa hatao ho an'ireo ao an-tranony sy ireo mpifanila trano aminy. Ny filazantsaran'ny famonjena dia tsy maintsy ambara amin'ny hafa. Ny olona rehetra izay nahatsapa ny herin 'Andriamanitra manova dia nanjary misiônera. Misy namana izay azony resahana momba ny fitiavan’Andriamanitra. Azony ambara ao ampiangonana hoe inona ho azy ny Tompo, eny amin'ny maha-Mpamonjy ny tenany manokana Azy; ary ny fijoroana ho vavolombelona atao amin'ny fahatsorana dia mety hitondra soa bebe kokoa noho ny lahateny tena tsara lahatra. ” E. G. W. (Counsels on Health, p. 32)
- Slides: 8