MAHITA NY HAFA AMINNY FIJERINI JESOSY Lesona 3

  • Slides: 8
Download presentation
MAHITA NY HAFA AMIN'NY FIJERIN'I JESOSY Lesona 3 hatao ny 18 Jolay , 2020

MAHITA NY HAFA AMIN'NY FIJERIN'I JESOSY Lesona 3 hatao ny 18 Jolay , 2020

Ahoana no fomba fijerin'i Jesosy ny olona? Nanana fijery feno firaisam-po Izy. Aina hovonjena

Ahoana no fomba fijerin'i Jesosy ny olona? Nanana fijery feno firaisam-po Izy. Aina hovonjena no fahitany ny olona tsirairay. Hitany izay hiafaran'izy ireo raha manaiky ny famonjena izy. Ny olona tsirairay dia sarobidy sy tokana ho an'i Jesosy. Ary noho izany dia tamin'ny fomba manokana no nitondrany azy, ka tsy mba nanamavo na iza Izy. Andao isika hianatra hitondra ny hafa tahaka ny fanaon'i Jesosy. Mitondra ny hafa Manaiky ny rehetra Misakaiza Mifandray amin'ny hafa amin'ny fomba manokana Manararaotra ny fotoana rehetra

“Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamb teo amin'i Jesosy ka

“Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamb teo amin'i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba. ” Fahagagana manokana teo amin'ny lafiny maro izany. 3. Taorian'ny fikasihana voalohany dia nanontany azy Izy raha toa ka mahita zavatra 4. Olona tahaka ny hazo no hitan'ilay jamba 5. Ny fikasihana faharoa no nanasitrana tanteraka ilay lehilahy jamba 2. Nentin'i Jesosy nitokana izy 1. Nisy namany sasany nitondra lehilahy jamba ary nangataka an'i Jesosy hanasitrana azy (Marka 8: 22) Tsy nino an'i Jesosy ilay jamba fa ny namany kosa no nino. Fikasihana in-droa no nentin'i Jesosy hanasitranana azy. Maro ny olona tsy handeha irery hanatona an'i Jesosy mihitsy raha tsy misy olona manampinoana mitondra azy ho eo Aminy. Izany no iraka natao ho antsika. Indraindray dia mety mila “fikasihana faharoa” avy amin'i Jesosy isika vao mahita mazava ireo fahamarinana arapanahy.

MANAIKY NY REHETRA “Ary tsy maintsy mamaky an'i Samaria Izy. ” Galilia (Jaona 4:

MANAIKY NY REHETRA “Ary tsy maintsy mamaky an'i Samaria Izy. ” Galilia (Jaona 4: 4) Ny fifandraisana nisy teo amin'ny Jiosy sy ny Samaritana dia somary nasiaka ihany. Ny Jiosy dia niodina rehefa handeha avy ao Jodia ho any Galilia, fa tsy nandalo ny tanin'ny Samaritana. Samaria Jodia Nefa, Jesosy dia mahita mihoatran'ny firazanana, ny kolontsaina, ny maha-lahy na maha-vavy ary ny fivavahana. Fantany fa nisy olona tany Samaria izay mila famonjena, ka ho fanatanterahana an'izany no iraka ho Azy. Rehefa mijery ny hafa amin'ny fangorahampon'Andriamanitra isika, dia mianjera avokoa ny sakana rehetra. Ary, dia tsy misy intsony ny fisarahana, satria ho olom-pirenena ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra no hijerentsika azy ireo. Mety tsy mitovy na manaiky ny heviny ara-politika na arapinoana isika, fa tiantsika foana izy ireo ary irintsika ny tsara indra ho azy ireo.

MISAKAIZA “Izy no nahita an'i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy ‘Efa nahita

MISAKAIZA “Izy no nahita an'i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy ‘Efa nahita ny Mesia izahay (izay atao hoe, raha adika, ny Kristy). ” (Jaona 1: 41) Rehefa nanao veloma ny mpianany i Jesosy dia nangataka azy ireo hitory ny filazantsara amin'ny faritra mihalavitra hatrany Izy: “any Jerosalema, sy eran'i Jodia sy Samaria ary hatrany amin'ny faran'ny tany. ” (Asa 1: 8). Ny apostoly Andrea dia nanome ohatra ny amin'io fomba io. Voalohany, dia niresaka ny amin'i Jesosy tamin'ny rahalahiny izy [Jodia]. Taty aoriana dia nisakaiza tamina-zazalahy iray izy [Samaria] ary nanao fahagagana lehibe tamin'ny alalany i Jesosy (Jaona 6: 5 -11). Ary farany dia nizara ny Filazantsara tamin'ny olon-tsy fantatra izy [hatrany amin'ny faran'ny tany], toy ireo lehilahy Grika izay nitady an'i Jesosy (Jaona 12: 2026). Afaka mianatra fomba mahomby hitondrana fanahy ho eo amin'i Jesosy isika avy amin'ny ohatra nomen'i Andrea: manorina fifandraisana feno fitiavana amin'ny hafa.

“Ary raha hitan'i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: ‘Tsy lavitra

“Ary raha hitan'i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: ‘Tsy lavitra ny fanjakan'Andriamanitra ianao. ’ Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony. ” (Marka 12: 34) Ahoana no nifandraisan'i Jesosy tamin'ny olona sarotra ifandraisana? Nihaino azy ireo tamim-pitandremana Izy Nametraka fanontaniana Izy Naneho tsikely ny fahamarinana Izy Fantany ny fanirian'ny fony izy ireo Hitany ny zavatra tsara na dia tao amin'ny olona mahariko indra aza Tsy noeritreretiny akory fa hisy olona tsy ho tratry ny Filazantsara Nahita taratry ny voninahitry ny Famoronana teo amin'ny olona tsirairay Izy Nanandratra ny fisainan'izy ireo Izy mba hahatakarany izay mety ho toetrany aoriana Ny mijery ny hafa amin'ny mason'i Jesosy dia midika hoe mahita ny tsirairay ho azo vonjena ho amin'ny Fanjakan'ny Lanitra, koa dia mitondra-tena amin'izy ireo araka izany. Mba ho lasa vavolombelona mahomby dia tsy maintsy mangataka ny Fanahy Masina isika mba hanana izany fomba fijery izany.

MANARARAOTRA NY FOTOANA REHETRA “Fantatro ny asanao. Indro, efa nasiako varana mivoha eo anatrehanao,

MANARARAOTRA NY FOTOANA REHETRA “Fantatro ny asanao. Indro, efa nasiako varana mivoha eo anatrehanao, ka tsy misy maharindrina azy. ” (Apokalypsy 3: 8) Manokatra varana Andriamanitra mba hanomezana vahana antsika hizara ny Filazantsara. Jereo ny ohatr'i Filipo. Nentin’Andriamanitra tany amin’ny toerana manokana izy ary nifanena tamina-olona iray namaky andinint. Soratra Masina manokana iray. Io olona io dia nila tosika kely fotsiny mba hanolorany ny fony ho amin'ny Mpamonjintsika (Asa 8: 26 -39). Misy anjely tsy hita maso izay maniry fatratra hitarika antsika ho amin'ireny "varana misokatra" ireny. Mangataha amin'Andriamanitra mba hanomezany anao fahaizana mandanjalanja ireny fotoana fanararaotana ireny, ary mba hanome anao ireo teny mifanaraka amin'izany fotoana izany.

“Jesosy dia nifandray nivantana tamin'ny olombelona. Tsy nijoro tsy naninona tamin'ireo izay nila ny

“Jesosy dia nifandray nivantana tamin'ny olombelona. Tsy nijoro tsy naninona tamin'ireo izay nila ny fanampiany Izy. Niditra tao antranon'ny olona Izy, nampahery ny mitoloko, nanasitrana ny marary, napitraka ireo tsy niraha, ary nandeha nanao soa. Ary raha manaraka ny dian-tongotr'i Jesosy isika dia tsy maintsy manao araka izay nataony koa. Tsy maintsy manome fanampiana ny olona toy izay nataony isika. ” E. G. W. (Our Father Cares, Febroary 17)