JESOSY ILAY MPAMPIANATRA LEHIBE Lesona 5 hatao ny
JESOSY, ILAY MPAMPIANATRA LEHIBE Lesona 5 hatao ny 31 Oktobra, 2020
Jesosy no mpampianatra tsara indra hatrizay. Iza moa Jesosy? Mampianatra antsika Izy fa Andriamanitra dia [“Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray. ” (Jaona 14: 9)]; Nanome ohatra ny amin'ny fomba tokony ho fiainantsika Izy [“Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. ” (Jaona 13: 15)]; Izy no nandoa ny onitry ny fahotantsika ary nampihavana antsika tamin'Andriamanitra ["Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana. " (2 Korintiana 5: 19)]. Tsy misy aloky ny fisalana fa Jesosy no Mpampianatra Lehibe izay tokony hiankohofantsika. Ny voninahitry ny Ray Ilay ohatra Ilay mpampihavana Mendrika hiankohofana
NY VONINAHITRY NY RAY (I) “Hoy Jesosy taminy: ‘Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: ‘Asehoy anay ny Ray’? ’ ” (Jaona 14: 9) Manazava ny Hebreo 1: 1 -3 fa Andriamanitra dia tsy afaka nifanatrika mivantana tamin'ny olombelona rehefa tafiditra teto amin'izao tontolo izao ny fahotana. Noho izany dia nanambara ny tenany tamin'ny alàlan'ny mpaminany Izy (and. 1). Tsy tonga lafatra io fanambarana io. Jesosy irery ihany no afaka manambara tsara an'Andriamanitra (and 2), satria Izy dia Andriamanitra (and. 3): Izy no famirapiratan'ny voninahiny Izy no endriky ny tenany indra Izy no mihazona ny zavatra rehetra Izy no nanadio hahafaka amin'ny fahotana Izy dia nipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra Tonga mba hanatratra ny marina momba an'Andriamanitra i Jesosy ary haneho amintsika "ny voninahitr'Andriamanitra eo amin'ny tavan'i Jesosy Kristy. " (2 Korintiana 4: 6)
NY VONINAHITRY NY RAY (II) “Hoy Jesosy taminy: ‘Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; ko ahoana no anaovanareo hoe: ‘Asehoy anay ny Ray’’? ’ ” (Jaona 14: 9) Naneho ny voninahitra sy ny toetran'ny Ray i Jesosy. Afaka mahita an'Andriamanitra ao Aminy ny olona. Jesosy no endrik'Andriamanitra (Hebreo 1: 3), ary hovaina araka ny endrik'i Jesosy isika (Romana 8: 29) mba hahafahantsika maneho ny voninahitra sy ny toetran'ny Ray amin'izao tontolo izao. Jesosy no fahazavan'izao tontolo izao (Jaona 8: 12), ary natao ho fahazavana isika (Matio 5: 14) hanazava an'izao tontolo izao amin'ny fahalalana ny toetrany. Araka ny fotoana lanintsika miaraka amin'i Jesosy no hitarafantsika ny voninahiny. “Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy. ” (2
“Rehefa nandray ny maha-olombelona teo Aminy Kristy, dia nanjary mpiray tamin'ny olombelona, ary tamin'izany fotoana izany koa dia naneho ny Raintsika Izay an-danitra tamin'ny olombelona mpanota, Ilay teo anatrehan'ny Ray hatramin'ny fiandohany. Ilay endrik'Andriamanitra tsy hita maso, no hany afaka maneho ny toetra amampanahin'Andriamanitra amin'ny taranak'olombelona […] Be fitiavana, mangoraka, miray fo amin'ny hafa sy mihevitra azy lalandava Izy ka nampiseho ny toetra amampanahin'Andriamanitra, sy nandray ho rahany mandrakariva ny fanompoana an'Andriamanitra, sy ny olona. ” E. G. W. (Tanamasoandro ny Fahasalamana, tk. 34, p. 348, 349)
ILAY OHATRA “Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo. ” (Jaona 13: 15) Mba hanarahantsika ny ohatra nasehon'i Jesosy dia tokony hianarantsika ny fomba fiainany fony Izy tety antany. Nanazava tsara ny toetran'i Jesosy i Paoly sy ny fomba tokony hanahafantsika Azy ao amin'ny Filipiana 2: 3 -11. Manetry tena (jereo Matio 11: 29; Isaia 66: 2) Mankato (jereo Lioka 22: 42; Matio 7: 21) Tsy amin'ny fanandratantsika ny tenantsika no hahatanterahan'ny asa lehibe ny fanabeazana sy ny fanavotana ataon'Andriamanitra, fa ao amin'ny fanetrentsika tena eo anatrehany, amin'ny fankatoavana azy, ary amin'ny fanompoantsika ny hafa. Tia manampy (jereo 3 Jaona 1: 5)
ILAY MPAMPIHAVANA “dia izao: Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana. ” (2 Korintiana 5: 19) Nanokatra hantsana teo amin'Andriamanitra sy ny olombelona ny fahotana. Tsy azontsika atao irery ny manototra io hantsana io. Ankoatra izany, ny ota ato anatintsika no manakana antsika tsy hanam-paniriana hanototra azy io. Andriamanitra no nanao ny dingana voalohany. Nomeny ny Zanany hampihavana antsika Aminy. Napetrany ao am-pontsika koa ny faniriana hibebaka (Romana 2: 4). Jesosy no Mpahary sy aharetan'ny fiainana. Izy no nanavotra antsika teo amin'ny hazofijaliana. Mamela ny fahotantsika Izy ary mampihavana antsika amin'Andriamanitra. Izy koa no mahatonga antsika ho anisan'ny asa fanavotana ataony eo amin'ny sehatra ara -tsosialy misy antsika (Kolosiana 1: 15 -20).
MENDRIKA HIANKOHOFANA “Ny Zanak'ondry, Izay novonoina, dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra! ” (Apok. 5: 12) Ny olombelona dia namporisihina hiankohoka amin'i Jesosy hatramin'ny naha-olombelona Azy. Andian'anjely iray manana endrika kintana mamirapiratra no tonga nanambara ny fiavian'ny Mpamonjy, ny Mesia ary ny Mpanjakan'ny mpanjaka. Re nanerana ny havoanan'i Betlehema izany fanambarana izany, ary hita avy tany Mesopotamia. Nihazaka nankany amin'ny fihinanam -bilona avy hatrany ireo mpiandry ondry raha vao nahare ny vaovao. Fantatr'izy ireo fa ny zaza vao teraka dia ny Mpamonjy, ka dia niankohoka teo anatrehany izy ireo ary nizara ny vaovao (Lio 2: 8 -20). Ireo olon-kendry avy tany Atsinanana dia nahafantatra fa ilay kintan'ny anjely dia fahatanterahan'ny faminaniana izay nanambara mialoha ny fiavian'ny Mpamonjy. Niomana hihaona Aminy izy ireo, ka dia nandeha nankany amin'ny fihinanam-bilona hiankohoka Aminy sy hanolotra fanomezana ho Azy (Mat. 2: 1 -12). Toa azy ireo koa, dia antsoina isika hiankohoka amin'i Kristy (Apôk 5: 13).
“Ny anjara asan'ny Zanak'Andriamanitra mifandray amin'ny maha-Andriamanitra Azy; eo amin'ny tontolo noforonina sy ny tsy noforonina, ny manam-pahataperana sy ny tsy manam-pahataperana, dia lafin-javatra tsara izay tokony hosaintsainina mandritra ny androm-piainana. Io anjara asan'i Kristy io dia tokony hiteraka fahafantarana ireo fomba hafa any amin'ny tontolo tsy nahalala ota sy mahatoky fa tsy ny famonjena ireo izay mivarina any amin'ny fahaverezana ihany. Io anjara asan'i Kristy io no lalana hiverenan'ireo nania ho amin'ny fahatokiana an'Andriamanitra ary koa fiarovana izay tsy nanota. ” E. G. W. ( Hafatra ho an'ny Tanora, tk. 81, p. 133 )
- Slides: 9