FAMORONANA GENESISY SY NY FAHAMARINANA ARABAIBOLYFIZARANA 1 Lesona
FAMORONANA: GENESISY SY NY FAHAMARINANA ARA-BAIBOLY—FIZARANA 1 Lesona 8 hatao ny 23 May, 2020
Noforonin'ny tanan'Andriamanitra ve ny olombelona, sa anisan'ireo nipoitra avy amin'ny fivoarana miandalana? Azotsika atao ve ny mandika ny Baiboly amin'ny fomba izay ahafahantsika sady manaiky ny famoronana avy amin'Andriamanitra no manaiky ny fivoarana miandalana? Inona no ho fiatraikan'ny fanekentsika na fandavantsika ny Famoronana nandritra ny andro enina ara-bakiteny ao amin'ny Genesisy 1 -3? Avy amin'Andriamanitra sa kisendra Andro ara-bakiteny sa fotoana lavabe Sabata sa Alahady Fanambadiana sa firaisana hafa Ota sy fahafatesana, sa fivoarana miandalana sy ady aman'aina
AVY AMIN'ANDRIAMANITRA SA KISENDRA “Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. ” (Genesisy 1: 1) Niezaka namaly ireo fanontaniana lehibe apetratsika olombelona ireo filozofa nandritra ny taon-jato maro: Avy aiza no niaviako? Iza aho? Ho aiza aho? Mamaly ireo fanontaniana ireo ny Baiboly ao amin'ny pejy voalohany indra. Tsy kisendra no maha-eto antsika. Noforonin'Andriamanitra isika ary misy antony ny maha-eto antsika. Milaza ny amin'ny fisian'Andriamanitra hatramin'izay koa ny Baiboly, sy ny asany teo amin'ny famoronana antsika. Andriamanitra telo Izay Iray no namorona antsika: “Andeha Isika hamorona olona” (Genesisy 1: 26; jereo Genesisy 1: 1 sy Kolosiana 1: 6). Mahazo matoky isika fa Jesosy—Izay namorona izao rehetra izao (Hebreo 1: 2)—dia hamarana izay efa natombony.
ANDRO ARA-BAKITENY SA FOTOANA LAVABE “Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany. ” (Genesisy 1: 5) Mba ahatonga ny Baiboly hifandrindra amin'ny foto-kevitry ny fivoarana miandalana, dia misy olona sasany mandika ny teny “andro” ho toy ny teny an'ohatra entina hilazana vanim-potoana lavabe. Ny filazana fa voazara ho fotoana hariva sy maraina ireo andro ireo dia manazava ny maha-andro iray izay misy 24 ora azy ireo. Tsy misy filazana elanelam-potoana mihitsy eo amin'ireo andro ireo, koa manome henemana tsy misy fahatapahany izany (andro faharoa, andro fahatelo…). Izany no fototry ny didy momban'ny Sabata (Eksodosy 20: 8 -11). Ny fandavana ny Famoronana ho herinandro arabakiteny dia mitarika fandavana ny maha-azo antoka ny Baiboly iray manontolo.
“Nomena antsika mba hiasana ireo andro enina voalohany amin'ny herinandro tsirairay, satria nampiasa io vanim-potoana io Andriamanitra hanaovana ny asam-pamoronana tamin'ny herinandro voalohany. Natokan'Andriamanitra ho andro fitsaharana ny andro fahafito, ho fahatsiarovana ny fitsaharany nandritra io vanim-potoana io ihany, rehefa nahavita ny asam-pamoronana nandritra ny enina andro Izy. Ny vinan'ny tsy mino anefa, izay milaza fa nila vanim-potoana lava sy tsy voafetra fito ireo tranganjavatra niseho tamin'ny herinandro voalohany mba hahatanteraka azy, dia manohitra mivantana ny fototry ny Sabatan'ny didy fahefatra. Mahatonga ny zavatra izay nataon'Andriamanitra tena mazava ho tsy voafaritra sy manjavozavo izany. ” E. G. W. (To Be Like Jesus, 22 May)
“Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin'izany no nitsaharan'Andriamanitra tamin'ny asany rehetra izay noforoniny tamin'ny nanaovany azy. ” (Genesisy 2: 3) Niharan'ny fiovana misy eo amin'ny kolon-tsaintsika taty aoriana io fotokevitry ny Famoronana nandritra ny henemana izay voalaza ao amin'ny Genesisy io. Eo amin'ny fandraharana, dia amporisihina hatrany ny fitsaharana amin'ny Alahady. Any amin'ny firenena sasany, ny rakibolana dia mamaritra ny Alahady ho andro fahafito amin'ny herinandro. Papa maro no efa nandefa hafatra manohitra ny “Sabatan'ny Jiosy” (“ Dies Domini ”, “Laudato Si”). Nefa, Jesosy no nanambara ny tenany ho “Tompon'ny Sabata” (Matio 12: 8). Nitsahatra tamin'ny andro Sabata Izy. Nohamasininy koa izany sady nampianariny isika mba hitsahatra toy izay nataony (Eksodosy 20: 8 -11). Ny hafatra farany izay ho lazaina amin'izao tontolo izao dia mahakasika ny fanambarana ny Sabata ho fahatsiarovana ny Famoronan'Andriamanitra (Apok. 14: 7).
FANAMBADIANA SA FIRAISANA HAFA “Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: ‘Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy. ’ ” (Genesisy 2: 18) Tsy mitovy ny namoronana ny lehilahy sy ny vehivavy saingy mifameno izy roa. Izy roa miaraka no mandrafitra ankohonana iray. Andriamanitra dia telo nefa Iray, koa iriany ny olombelona raha hitombo amin'ny alalan'ny firaisan'ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray. Ny zanaka dia vokatr'izany firaisana izany, koa takiana hanaja ny ray aman-dreniny izy ireo (Eksodosy 20: 12). Ao amin'ny didy dia voalaza miavaka tsara ny ray sy ny reny fa tsy natambatra fotsiny ho “ray aman-dreny”, hilazana fa izay ihany no fanambadiana tena manan-kery. Tontolo iray feno ankohonana mifankatia, izay manana fijery ambony an'Andriamanitra sy manandratra ny toetrany eo amin'ny fiainany ary manabe ireo zanany ho amin'ny fankatoavana feno fanetre-tena no antony voalohany indra ny Famoronana.
OTA SY FAHAFATESANA, SA FIVOARANA MIANDALANA SY ADY AMAN'AINA “fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao. ” (Genesisy 2: 17) Ny Baiboly dia manazava fa niditra teto amin'ity izao tontolo izao ity ny fahafatesana satria nanota i Adama sy Eva (Rom. 5: 12). Manazava ihany koa izy fa ny hany fomba tokana handresena ny fahafatesana sy hahazoana fiainana mandrakizy dia amin'ny alalan'ny Fanavotana izay nataon'i Jesosy noho ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin'ny maty (Jaona 6: 40). Mifanohitra amin'izany, ny foto-kevitry ny fivoarana miandalana dia milaza fa ny olombelona dia “noforonina” tao anatin'ny dingana maro izay ahitana tolona ho amin'ny fahavelomana sy fahafatesana. Noho izany, ny fahafatesana dia tsy afa-misaraka amin'ny fiainana. Raha manaiky ny foto-kevitry ny fivoarana miandalana isika, dia manaiky fa ny fahafatesana dia manana toerana ao amin'ny dingan'ny famoronana. Midika izany fa tsy ilaina intsony ny Mpanavotra, satria ny fahafatesana amin'izay dia tsy vokatry ny Ny Baiboly dia maneho ny drafifahotana. panavotan'Andriamanitra sady manome antsika teny fikasana momba ny fiainana mandrakizay ao amin'i Kristy.
“ […] fahamaikana manao ahoana no mampihena na mampitombo ana-tapitrisany taona amin'ny vanimpotoana iray ho amin'ny anankiray ny fotoana voalaza fa nisian'ny fivoaran'ny tany; ary manao ahoana ny fifanipahan'ireo tsanga-kevitra naroson'ireo mpanao siansa samy hafa, — raha jerena izany rehetra izany, moa ve isika, ho amin'ny tombontsoan'ny fanoritana ny tarana-tsika avy amin'ny sela sy "mollusque" ary rajako, tokony hanaiky hitsipaka ny fanambaran'ny Soratra Masina, izay tena lehibe amin'ny fahatsorany: “Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik'Andriamanitra no namoronany azy”? … Raha tena azo tsara, dia ho hita fa mifandrindra tsara amin'ny fijoroana vavolombelon'ny Soratra Masina ny fanambaran'ny siansa sy ny traikefa eo amin'ny fiainana ny amin'ny asa tsy miato ataon'Andriamanitra eo amin'ny zavaboary. ” E. G. W. (Education, tk. 14, p. 130)
- Slides: 9